Psalms 121

Fahatokian’ izay manana an’ i Jehovah ho Mpiaro azy

Fihirana fiakarana
Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga.
.

1

Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy
Na: Izay ihavian’ ny famonjena ahy.
?
2Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. 3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. 4Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. 5Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao. 6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. 7Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. 8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.
Copyright information for Mg1865